Universalis
Friday 19 April 2024    (other days)
Friday of the 3rd week of Eastertide 

Using calendar: Africa - Madagascar. You can change this.

Fiderana maraina

If this is the first Hour that you are reciting today, you should precede it with the Invitatory Psalm.
INTRODUCTION
Andriamanitra ô, avia ampio aho.
  Tompo ô, faingàna hamonjy ahy.
Voninahitra anie ho an’ny Ray
  sy ny Zanaka
  sy ny Fanahy Masina.
Ho tahaka ny
  taloha sy
  ankehitriny ary mandrakizay.
Amen. Aleloia.

Antsa
Fiv: Indray maraina izay,
Dia nijoro teo amoron’ny farihy
I Jesoa tafatsangana ho velona!
Tamin’izay ireto mpianany tsy nahafantatra Azy.
Ny tontolo nihovitrovitra noho ny nahafatesany,
Toy ny nody tamin’ny haizim-pito
tany am-piandohana.
Tonga teo anefa Izy mba hahitan’ny Fiangonana
Fiorenam-piadanana am-pinoana tena lalina,
Na naronjironjin’ny onja
aza „reo mpianatra tao Aminy.
Dia niantso i Jesoa hoe:
“Misy hohanina ve, anaka?”
Tsy mino manko ry zareo fa Izy tafatsangana io,
Raha toa tsy nihinan-kanina toy ny olona rehetra.
Ilay mamelona ireo mety ho zava-boaary indray ity
No nangataka sakafo tamin’ny zava-noarîny,
Mofon’Aina manome ny Vatan-Tenany hohanina.
Koa tongava fa mifidy anareo indray ny Tenako,
Sy maniraka anareo hijoro ho mpanambara Ahy,
Ka ataoko tonga mpanarato olona ianareo!

Salamo 50 (51)
Iantrao aho, ry Andriamanitra o!

Mihavaoza saina amam-panahy, ary mitafia ny olom- baovao (Efezianina 4,23-24).

Sasao tanteraka amin’ny otako aho, ry Tompo, aleloia.
Iantrao aho, ry Andriamanitra ó, *
fa tsara fo Ianao;
koseho re ny heloko, *
fa be indrafo Ianao.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho, *
diovy tokoa amin’ny hadisoako.
Eny, miaiky heloka aho: *
tsaroako lalandava ny otako.
Ianao irery tokoa no nanotako; *
ny ratsy imasonao no nataoko:
hany ka ara-drariny Ianao raha miteny, *
tsy omen-tsiny raha manadidy.
Jereo fa meloka aho no teraka, *
mpanota raha notorontoronina,
nefa aho tianao hahitsy ato anatiko, *
tianao ho hendry ato am-poko.
Diovy hisópy aho dia hadio; *
sasao, dia ho fotsy mangatsakatsaka;
ho henoko indray ny hobin-danonana, *
hibitaka indray ny taolana efa montsana.
Afeno ny Tavanao ny otako, *
ary koseho avokoa ny heloko.
Amoròny fo madio aho, ry Andriamanitra ó, *
fanahy vaovao araikitra ato anatiko.
Aza esorina eo anoloanao aho; *
ny Fanahinao Masina aza alàna amiko;
avereno amiko ny hafalian’ny voavonjy; *
fanahy mazoto ankaherezana ahy.
Dia hatoroko ny meloka ny lalanao, *
ka hiverina aminao ny mpanota.
Andriamanitra ó, afaho amin’ny tomany aho *
hihobiako ny fahamarinanao.
Tompo ó, sokafy ny molotro, *
dia hidera Anao ny vavako.
Tsy ny fanatitra no sitrakao, *
tsy ny sorona dorana no telinao.
Aminao ny fanahy torotoro *
no hany sorona lavorary:
ny fo torotoro sy montsamontsana *
tsy mba iavonanao, ry Andriamanitra.
Noho ny fitiavanao, hasoavy i Sióna; *
ny mandan’i Jerosalema atsangàno.
Dia ho sitrakao ny fanati-pahamarinana, *
ny sorona dorana sy izay atolotra tontolo;
ary amin’izay dia vantotr’ombalahy *
no hakarina eo amin’ny otelinao.
Voninahitra anie ho an’ny Ray
  sy ny Zanaka
  sy ny Fanahy Masina.
Ho tahaka ny
  taloha sy
  ankehitriny ary mandrakizay.
Amen.
Sasao tanteraka amin’ny otako aho, ry Tompo, aleloia.

Tononkira
JEREMIA 14, 17-21

Fitomanian'ny vahoaka, fony nisy mosary sy ady

Efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra; mibebaha iana- reo ary minoa ny Evanjely (Marka 1, 15).

I Kristy, nitondra ny fahotantsika tamin’ny Vatany, teo amin’ny Hazofijaliana, aleloia.
Aoka ny ranomasoko hijononòka, *
tsy hitsahatra na andro na alina:
fa ny oloko zanakavavy virijiny voakapoka, *
voan’ny fery maharary indrindra!
Raha mankany an-tsaha aho: *
indreo ny voatrebon’ny sabatra;miditra an-tanàna indray: *
ndreo izay ànan’ny mosary
Na mpaminany na mpisorona *
very hevitra, mivezi-poana.
I Joda ve dia foinao tokoa? *
dia leon’i Sióna marina ve Ianao?
Kapoka tsy sitram-panafody *
ity amelinao anay!
Mba niandry fiadanana: *
kanjo inona no teo?
Nanantena fanaretana: * horohoro no tamy!
Ekenay, ry Tompo, ny otanay; *
ekenay koa ny helo-drazanay:
eny, diso taminao izahay; *
noho ny Anaranao anefa, mitonia.
Ilay fiketrahan’ny voninahitrao
  aza dia hamavoina;
aza itsoahana fa tsarovy *
ilay fanekenao taminay!
Voninahitra anie ho an’ny Ray
  sy ny Zanaka
  sy ny Fanahy Masina.
Ho tahaka ny
  taloha sy
  ankehitriny ary mandrakizay.
Amen.
I Kristy, nitondra ny fahotantsika tamin’ny Vatany, teo amin’ny Hazofijaliana, aleloia.

Salamo 99 (100)
Hafalian'ireo miditra ao an-Tempoly

Nasain’ny Tompo nanao hira fandresena ireo navotana (Masindahy Athanase).

Tongava eo anoloan’ny Tompo amin-karavoana, aleloia.
Hobio ny Tompo, ry tany tontolo, *
  tompoy amin-kafaliana ny Tompo;
tongava eo anoloany amin-karavoana, *
  ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra.
Izy no nanao: ka Azy isika, *
  vahoakany sy ondry andrasany.
Idiro amin-tsaotra ny vavahadiny, *
  idiro amin-dera ireo kianjany.
Derao Izy, isaory ny Anarany: *
  eny, tsara ny Tompo;
eny, mandrakizay ny fitiavany, *
  amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.
Voninahitra anie ho an’ny Ray
  sy ny Zanaka
  sy ny Fanahy Masina.
Ho tahaka ny
  taloha sy
  ankehitriny ary mandrakizay.
Amen.
Tongava eo anoloan’ny Tompo amin-karavoana, aleloia.

Vakiteny fohyActs 5:30-32
Natsangan’ny Andriamanitry ny razantsika ho velona avy any amin’ny maty i Jesoa, izay novonoinareo nahantona tamin’ny hazo. Izy nasandratry ny tanana an-kavanan’ Andriamanitra ho Mpifehy sy Mpamonjy, mba hanome fibebahana sy famelan-keloka an’ i Israely. Ary izahay sy ny Fanahy Masina nomen’ Andriamanitra an’izay rehetra manaiky Azy no vavolombelon’izany zavatra izany.

Valiny fohy
V.Nitsangan-ko velona avy any amin’ny fasana ny Tompo, *Aleloia, aleloia. Nitsangan-ko...
A. Ilay nihantona teo amin’ny Hazo ho antsika. *Aleloia, aleloia. Voninahitra... Nitsangan-ko...

TononkiraBenedictus

Ny Mesia sy ny Mpialoha Azy

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny, aleloia.
Isaorana ny Tompo Andriamanitr’i Israely,*
  fa namangy sy nanavotra ny olony Izy:
Mpamonjy mahery no nomeny antsika*
  avy amin’ny terak’i Davida mpanompony.
Tomombany ankehitrio ny teniny fahiny*
  voalazan’ireo mpaminaniny masina:
dia ny hamonjy antsika amin’ny rafintsika*
  sy hanafaka amin’ny mpankahala rehetra.
Naneho fitia tamin’ny razantsika Izy,*
  ka tsaroany ilay fanekeny masina,
ilay fianianana izay nataony*
  tamin’i Abrahama razantsika:
dia ny hanala antsika amin’ny rafintsika*
  mba hanompoantsika Azy tsy amin-tahotrra,
fa amin-toetra masina sy marina eo imasony,*
  amin’ny andro rehetra hiainantsika.
Ary ianao kosa, anaka,*
  dia ho mpaminanin’ny Avo indrindra.
Handeha eo alohan’ny Tompo ianao*
  mba hamboatra ny lalany.
Ny fahalalana ny famonjena*
  no homenao ny olony:
ka ho fantatr’ireo*
  fa voavela ny helony!
Be fitiavana manko ilay Andriamanitsika:*
  koa miposaka avy any ambony hamangy antsika
ilay Masoandro hanazava an’ireo mihitsoka*
  ao amin’ny haizin’ny fahafatesana,
ilay Masoandro hitarika ny diantsika*
  mankany amin’ny fiadanana!
Voninahitra anie ho an’ny Ray... Ho tahaka ny taloha...
Voninahitra anie ho an’ny Ray
  sy ny Zanaka
  sy ny Fanahy Masina.
Ho tahaka ny
  taloha sy
  ankehitriny ary mandrakizay.
Amen.
Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, dia mitoetra ao anatiko, ary Izaho ao anatiny, aleloia.

Ranombavaka
Andriamanitra Ray dia nanolotra fiainam-baovao ho antsika, tamin’ny alalan’i Kristy nitsangan-ko velona; koa mitalahoa Aminy manao hoe:
Hazavao amin’ny fahazavan’i Kristy izahay!
– Ianao Andriamanitra nampiseho ny fitantananao ny asanao hatrizay hatrizay, ary nahary ny tany onenanay sy tsy mandao ny taranaka mifandimby;
koa henoy izahay, fa Ray mpamindra fo Ianao.
– Sasao amin’ny fahadiovan’ny fahamarinanao izahay, ary tariho lalana hanaraka ny fahamasinan’ny fo:
mba hahatontosa izay rariny sy ankasitrahinao.
– Ampamirapirato aminay ny Tavanao,
mba hofenoinao amin’ny soa ao an-tranonao izahay rehefa afa-pahotana.
– Nomenao ny fiadananao ny Apôstôlinao;
koa omeo ny fiadananao izahay sy ny mponina rehetra eran-tany.

Rainay any an-danitra,
hohamasinina anie ny Anaranao,
ho tonga anie ny Fanjakanao,
ho tanteraka anie ny sitra-ponao:
ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny haninay isan’andro,
avelao ny fahotanay
tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay,
aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay
fa manafaha anay amin’ny ratsy.

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, mihanta Aminao izahay nahalala ny fahasoavana vokatry ny Paka: enga anie hitsangan-ko velona hahazo ny fiainam-baovao noho ny herin’ny Fanahinao Fitiavana. Amin’ny alalan’i J.K.Z.T.

Ny Tompo anie hitso-drano antsika, sy hiaro antsika amin’ny ratsy rehetra, ary hitondra antsika any amin’ny fiainana mandrakizay.
  Amen.

Universalis podcast: The week ahead – from 21 April

Acts, St John and the Apocalypse. What is the Liturgy of the Hours? A week of missionaries. (15 minutes)
Episode notes.

You can also view this page in English only.


Local calendars

Africa:  Kenya · Madagascar · Nigeria · Southern Africa

Latin America:  Brazil

Asia:  India · Malaysia · Singapore

Australia

Canada

Europe:  Belarus · Denmark · England · Estonia · Finland · France · Ireland · Italy · Malta · Netherlands · Poland · Scotland · Slovakia · Slovenia · Sweden · Wales

Middle East:  Southern Arabia

New Zealand

Philippines

United States


  This web site © Copyright 1996-2024 Universalis Publishing Ltd · Contact us · Cookies/privacy
(top